ActualitésTsidika

Tontolo iainana : Nahitana fatina « paille en queue »maro tao Nosy Ve Toliara

Toerana manan-tantara ity Nosy Ve ao Anakao Toliara ity satria toerana fanaovana sorona sy fangataham-pitahiana ho an’ireo mponina sy mpisehatra eo amin’io rano io. Miavaka tokoa ity toerana ity, izay entina hisarihana mpizaha tany amin’ny alalan’ireo voalaza ireo sy ireo karazana voroana ireo. Miisa 80 eo ho eo ireto vorona an-drano ireto no hita faty teo an-toerana izay mbola tsy fantatra mazava ny antony. Miahiahy fihazana kosa ny avy ao amin’ny Ministera.

« Ahiahianay ho nisy fihazana tsy ara-dalàna natao tety satria raha ny fahitana ny fomba namonoana azy ireto dia tsy fahafatesana voajanahary no natao ireto biby ireto fa fahafatesana natao tanana mihitsy », hoy ireo mponina any an-toerana.

« Biby anisan’ny mampiavaka io Nosy io ireto paille en queue ireto ka noho uizany dia biby arovana eto Madagasikara. Tsy azo atao ny mihaza izany. Anisan’ny miantoka ny fahatongavan’ny mpizahatany any amin’ny faritra atsimo iny ny fisian’izy ireo ka melohina izay tratra mihaza. Raha ny fandinihana izay natao hatreto dia tsy miala amin’ny hoe nisy fihazàna tsy ara-dalana natao tao. Tokony hojerena anaty fotoana fohy izany mba tsy hahalany tamingana ireto vorona arovana ireto », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana.

« Efa vorona ahiana ho lany tamingana ireto vorona ireto ka izany indrindra no tokony hiarovana azy ireo. Efa hampitomboana ny fiarovana ary hamafisiana ny fiambenana ety an-toerana. Rarana ny mijanona alina loatra eny an-toerana aloha amin’izao fotoana izao », hoy kosa ny avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena any an-toerana.

Antso avo no atao satria fananana iombonana ireto vorona ireto. Tokony samy hanana andraikitra ny tsirairay amin’ny fiarovana izany. Samy misitraka tombontsoa amin’ny fisian’izy ireo mantsy na an-kolaka na mivantana ka tokony samy manana adidy amin’ny fiarovana azy.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire