Ambohimanambola : Efa miasa ao an-toerana ny zotra fitaterana vaovao
Niasa, nanomboka nitatitra olona, ireo zotra vaovao ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo. Ireo zotra I, mampitohy an’Ambohimanambola mandeha amin’ny Fasika, ary Ambohimanambola sy Ambohimangakely, izany.
« Tsy mbola mazatra ny olona aloha ilay zotra vaovao hatreto fa tena mbola manazatra na izahay mpamily aza. Tena mbola miezaka be satria mbola maro no tsy mahafantatra ny fisian’ny zotra vaovao ity » hoy i Hasina, mpamily.
« Efa ela niandrasana izao zotra vaovao izao ny mponina, indrindra fa ireo mila mandeha fiara indroa rehefa hamonjy toeram-piasana. Hirariana mba tsy hiova fa hiatsara ary haharitra izao ezaka ataon’ny tompon’andraikitra izao » hoy i Mahefa, mponina ao Ambohimanambola.
Raha tsiahivina, fandaminana vaovao eo amin’ny zotra fitaterana izay miasa ao amin’ny kaominina moa izao fampidirana zotra vaovao hampitohy amin’ireo kaominina hafa manodidina izao. Izany moa dia efa nampiharina nanomboka tamin’ny zoma teo.
Manitra Ramanantsoa
