ActualitésTatitra

La Réunion : Nahazo fifanarahana ao amin’ny Leeds ilay mpilalao Georginio Rutter

Nahazo fifanarahana ao amin’ny Leeds United amin’ny Premier League ilay mpilalao Georginio Rutter avy ao amin’ny nosy ary mpanafika ao amin’ny Hoffenheim, Bundesliga. Mitentina 40 tapitrisa Euros io fifanarahana vaovao azon’i Georginio Rutter io, izay marihina fa vao 20 taona monja.

Tao amin’ny kianjan’i Rennais no nozarina io mpilalao baolina kitra io. Nandritra ny « mercato » tamin’ny 2021 izy no nanao sonia fifanarahana tao amin’ny Hoffenheim tamin’ny sandany 1 tapitrisa euros monja. Hatramin’ny 2028 kosa ny faharetan’ny fifanarahan’i Georginio Rutter amin’io kliobany vaovao io izay handraisany 4 tapitrisa euros isan-taona.

Laisser un commentaire