ActualitésTsidika

Alasora : Nahazo jiro ny fokontany Miadana

Tontosa tamin’ny 16 may ny fametrahana jiro hanazava ny tanàna ao amin’ny fokontany Miadana. Napetraka teo amin’ny lalana mandala eo amin’ny Orthodoxe sy Méga-Print mihazo eny Alatsinainy.

« Tontosa ny fametrahana ny jiro teto amin’ny Orthodoxe sy Méga-Print mihazo eny Alatsinainy. Miandry fametrahana andrinjiro kosa ny fanitarana izany makany Alatsinainy sy Antanety » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. « Mitohy hatrany ity tetik’asa ho amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana ity. Samy hahazo ny anjarany avokoa ireo Fokontany ary efa miroso tsikelikely amin’izany isika » hoy ny tompon’andraikitra.

Manampy betsaka ny mponina tokoa ny fanazavana ny tanàna tahaka izao. Rehefa maizina mantsy dia manjaka ny ratsy ary tsy mandry fahalemana ny mponina.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire