Ambohimangakely : Hisy ny Donak’afo ao Betsizaraina
Efa fanao ao Betsizaraina ny Donak’afo, izay fotoana iarahan’ny rehetra mifaly. Hotontosaina ny alin’ny 5 jona izao ary hitohy ny 6 jona izany.
« Hanasana ny rehetra izy ity izay efa fanao isan-taona. Alim-pandihizana izay ho hafanain’ny mpanakanto maro. Efa miditra ao anatin’ny ririnina rahateo isika ary izay indrindra no anton’ity donakafo ity » hoy ny mpikarakara. « Sady ho firaisan-kiann’ny rehetra no fampialana voly ny anton’ny Donak’afo. Tafiditra ao anatin’ny fety ihany koa izy tamin’ity taona ity. Hisy ny fizaran-kena mitam-pihavanana mandritra io fotoana io » hoy i Santatra, mponina ao Ambohimangakely.
Marihina fa tsy misy vidim-pidirana ity hetsika hampivondronana ny mponina ity. Aantenaina fa hanamafy hatrany ny fifandraisana eo amin’ny samy mpiara-monina tokoa izy.
