ActualitésTsidika

Consulat ny Monaco : Mitohy ny asa fanohanana ny hopitalim-panjakana

Nanolotra fitaovana fitsaboana hoan’ny hopitalim-panjakana Centre Hospitalier universitaire Joseph Raseta Befelatanana (CHU JRB) izay efa mpiara-miasa aminy nanomboka ny taona 2005 ny Consulat ny Monaco. Izany fanomezana izany dia nahitana: seza misy kodiarana hoan’ny marary, « perche à perfusion », fandriana elektronika, kidoro, armoara, fanaovana radio, fitaovana fitaterana marary (brancard), « déambulateur », fitaovana fiarovana, “gels hydroalcooliques” ary kilalao hoan’ny sampana mikarakara ny zaza (pédiatrie). Nahazo ny anjarany ihany koa ny hopitaly Centre hospitalier Unisversitaire Anosiala, anisan’ireo fitaovana fitsaboana azon’izy ireo: latabatra fitsaboana, fanaovana radio, gels hydroalcooliques…

Ny taona 2020 nandritra ny ady tamin’ny valanaretina Covid19 no efa nanomboka ny fiaraha-miasa teo amin’ny Consulat ny Monaco sy ny CHU Anosiala. Niverina indray moa ny fiaraha-miasa ny taona 2021.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire