Ketrika sy Kandra : Manampy amin’ny fitadiavana asa ny fanatrehana ireny fampiofanana isan-karazany ireny
Tanora miisa 1200 no voaofana arak’asa avy tamin’ny tetikasa Tanomafy, ary 48% amin’izy ireo no efa nahita asa. Fokontany mena 41 tao anatin’ny 192 ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra no nanatanterahana izany.
« Tanjona ny hampihaona ireo tanora amin’ireo mpandraharaha sy orinasa amin’ny sehatr’asa izay nosafidiany, mba ahafahany manamafy ny fahaiza-manao efa nomena azy ireo. Eo ihany koa ny hanampy ireo tanora ho tonga ho masoivohon’ny filaminana eny amin’ny tanàna misy azy ireo tsirairay avy » hoy ny avy ao amin’ny Madagascar Entreprises Développement na ny MED. « Tanora miisa 3 000 avy eto Antananarivo, manana faniriana ny hiditra amin’ny sehatry ny asa sy hampivoatra ny fiainany arak’asa, no kendrena amin’ity hetsika ketrika sy kandra ity » hoy ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny fampiofanana arak’asa, Vavitsara Rahantanirina Gabrielle.
« Olana eto amintsika ny asa. Tombony ny kehibe ny fandraisana anjara amin’ny hetsika sy fampiofanana isan-karazany, ahitantsika tanora ny lalana tena mety amintsika » hoy ny mpandray anjara tamin’ity hetsika ity. Tao anatin’izany indrindra no nananganan’ny tetikasa Tanomafy ny « Outilthèque Hitafa », toerana iray ahafahan’ireo tanora mpandraharaha mindrana fitaovana. Eny Ambohijatovo no ahitana azy, ary fitaovana maro no hita ao, toy ny fanjairana, ny fitaovana informatika sy ny maro hafa. Irariana mba hitondra fanovana eo amin’ny sehatry ny tanora sy ny asa ny hetsika tahaka izao, ka handroso tokoa ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
