Fanabeazana : Tsy mifanaraka amin’ny hodidina Malagasy ny doka mandeha amin’ny onjam-peo
Niteraka resabe teny amin’ny fiaraha-monina, ary nahenoana fitarainana mihitsy aza, ireny dokambarotra mikasika ny fandridram-piterahana alefa matetika ao anaty onjam-peo ireny. Tsy mbola zakan’ny sain’ny tanora ny toy ireny ka vao maika tsy hipaka amin’izy ireo ny hafatra tiana ambara.
« Ny onjam-peo tokony hanabe sy hitaiza tanora indray no manome vahana azy ireo hiroso amin’ny firaisana ara-nofo na vao kely aza, satria hamporisihana hampiasa fanabeazana aizana na mbola mpianatra amin’izay hono azo antoka ny hoavy » hoy i Brigitte, renim-pianakaviana. « Tena tsy rariny intsony ny dokambarotra atao amin’izao, mbola tena teny fady eto amintsika izany kanefa dradradradraina isan’andro izao. Tena mangataka ny tompon’andraikitra avy eo amin’ny Ministeran’ny serasera mba hanajanona izany haingana. Rehefa hira mampandihy fitombenana dia haingana ery manajanona izany ; fa rehefa tena resahina mivantana tahaka izany indray ilay izy dia hodiana tsy heno satria misy famatsiam-bola be ao » hoy i Gerard, raim-pianakaviana.
« Tena menatra ny tenako mihitsy aho rehefa maheno ireny doka ireny sady eo daholo i dada sy i neny, ataoko angamba fa efa misy ny fampianarana ireny any am-pianarana. Raha tsy ampy izany dia afaka ampivondronona ny tanora ,fa tsy sanatria alefa radio tahaka izany ilay izy satria tsy voafetra ho tanora ihany no mihaino radio » hoy i Anja, mpianatra eny Ankatso. Tsy mifanaraka amin’ny kolontsaina eto amintsika tokoa aloha ny resaka firaisana ara-nofo satria sokajiana ho teny fady eny amin’ny fiarahamonina izany. Ny Doka tahaka ireny ihany koa dia tokony hanaraka ny hodidina misy eo amin’ilay toerana, fa tsy sanatria ampitoviana amin’ny any ivelany.
Mila manangana paik’ady vaovao ho an’ny fanentanana ny tompon’andraikitra amin’ireny mba hifanaraka amin’ny kolontsaina sy ny tontolo Malagasy.
Nicole Rafalimananjara
