Amboditandroroho Toamasina II : Nofefen’ny mpanam-bola ny tany
Nofefen’ny Filatex ny tany ao amin’ny kaominina Amboditandroroho, Toamasina faharoa, hany ka tsy afaka miditra intsony ny mponina any an-toerana. Mbola eny amin’ny Tribonaly anefa ny ady momba ity tany ity.
« Nametraka fitarainana teny amin’ny Tribonaly izahay fokonolona, izay efa nanajary sy nahazo taratasy mikasika ny tany, kanefa izao sisa no valiny satria izy ireo dia niaraka tamin’ny mpitandro filaminana ka tsy afa-nanohatra izahay vahoaka madinika » hoy ny avy ao amin’ny Fikambanana Fipama izay ivondronan’ireo fokonolona nanajary ny tany any an-toerana. « Rehefa nanontaniana ny Filatex raha efa nanao fanambaràna fananan-tany tao Amboditandroroho Toamasina II teo amin’ny Kaominina, sy efa nandoa hetran-tany tao, dia tsy nanana havaly, fa dia ny fakana ny tany anaovana famokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro, veliranon’ny Filoham-pirenena, amin’ny tany mirefy 14ha no narosony » hoy ny sefom-pokontany any an-toerana.
« Midadasika loatra, ary efa nihoatra be ny tany efa nomena azy no nofefeny ka na ny lalana miditra aty an-tranonay aza tsy misy intsony fa efa voafefy avokoa » hoy i Clara, mponina any an-toerana. Raha tsiahivina dia tamin’ny taona 1923 no nalain’ny mpanjanan-tany ny tany, ka rehefa lasa izy ireo, dia ny fokonolona no nanamasaka sy nanajary ny tany, ary dia nahazo taratasy sy kara-tany mazava ireo mponina avy eo. Atody miady amam-bato anefa ny fokonolona ankehitriny ka manao antso avo amin’ny fitondrana mahefa.
Nicole Rafalimananjara
