ActualitésTsidika

Fampitaovana : Hisitraka bisikileta avy amin’ny ambasadaoron’i Inde ny mpianatra sy ny mpampianatra

Nifarana ny fe-potoana niasan’ny Ambasadaoron’i Inde, Abhay Kumar teto Madagasikara, ka tonga nanatanteraka fanaovam-beloma ny Praiminisitra Ntsay Christian izy. Nanao jery todika mikasika ireo sehatra rehetra nisian’ny fiaraha-miasa tamin’ny fireneny avy izy ireo. Niroborobo sy nivelatra ny firahalahiana teo amin’ny firenena roa tonta hoy io tompon’andraikitra io.

Nambarany fa higadona ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina amin’ny fiandohan’ny volana aogositra ireo bisikileta miisa 15 000 ho an’ny Mpianatra sy ny mpampianatra, fanampiana avy amin’ny firenena Indiana.

Laisser un commentaire