Morondava : Mafana ny asan-dahalo
Zazalahy roa zanaky ny tompon’omby no maty nandritra ny fanarahan-dia ireo dahalo enin-dahy tao amin’ny Campement Mamisoa, fokontany Antevamena, kaominina Analaiva, Distrikan’i Morondava. Omby 6 no lasan’ireo dahalo ary mbola tsy tafaverina amin’ny tompony.
« Nisy tamin’ireo mpanara-dia no naratra ary efa tsaboina ao amin’ny hopitaly Betela Morondava ny iray ; ny iray hafa kosa nentin’ireo dahalo. Tena mampalahelo ny zava-mitranga aty » hoy i Holy, mponina ao Antevamena. « Anisan’ny olana ho anay ny fahataran’ny fahazoana vaovao. Tsara anefa raha ara-potoana foana ny asa mba hanamora ny fisamborana ireo olon-dratsy » hoy ny Commandant de brigade de la Gendarmerie Morondava, Gendarme Principal Hors Classe (GPHC), Randriatsiverilaza Olivier.
Mbola manohy ny fanarahan-dia ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana. Nampandrenesina noho izany ny ao Befasy, Mandabe ary Mahabo mba hijery ireo kizo.
Nicole Rafalimananjara
