ActualitésTatitra

Comores : Natomboka ny fitiliana faobe hiadiana amin’ny tazomoka

Tafiditra ao amin’ny anatin’ny politika nasionaly hamongorana ny tazomoka amin’ny taona 2025 ao Comores ny fanatontosana fitiliana faobe. Manao fanamby ny hampahomby ny drafitra napetrany « zéro palu » ny nosy amin’io daty io.

Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy io fanokafana ny fitiliana io ny mpandrindra ny fandaharanasa nasionaly miady amin’ny tazomoka, Dr Hadjira Abdullatif. Nanazava ny anton’io hetsika io izy nandritra izany ary nilaza fa nihatrika trangan’aretina i Comores tao anatin’ny roa herinandro, voafaritra ho tazomoka ny sasany tamin’ireo. Manoloana izany tranga izany dia ilaina ny fanaovana fitiliana haingana.

Laisser un commentaire