ActualitésTsidika

Serasera : Hahazo fampiofanana ireo mpanao gazety

Hanomboka tsy ho ela ny andiany indray mihira faharoa amin’ny fampiofanana ireo mpanao gazety eto Madagasikara. Fandaharan’asa iray ao amin’ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina ity.

« Hanampiana be indrindra ireo mpanao gazety maniry ny hampitombo fahalalana sy hitrandraka traik’efa vaovao ity fandaharan’asa ity. Amin’ity taona ity dia mpanao gazety 76 avy amin’ny lafy valon’ny nosy no voafantina handray anjara » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina. « Tena manampy betsaka anay mpanao gazety ny fampiofanana tahaka izao. Ilaina hatrany ny fiofanana mba ho mpanao gazety matihanina no hampandroso ny firenena » hoy i Michel, mpanao gazety.

« Mahafinaritra mihitsy ny fampiofanana ny sehatra isan-tsokajiny tahaka izao. Manana anjara toerana lehibe eto amintsika tokoa mantsy ny fahaizana serasera » hoy i Landy, mpianatra mikasika ny serasera eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.

Hisy ihany koa ny fampiofanana ireo mpanentana fandaharana amin’ny tamban-tserasera. Ilaina tokoa ny fampiroboroboana ny haino vaky jery teo amintsika, izay efa manomboka mahazo vahana tokoa.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire