ActualitésTatitra

Maurice : Nihena ny tahan’ny herisetra atao amin’ny zaza

Nihena arivo mahery ny tahan’ny herisetra atao amin’ny zaza ao Maurice tao anatin’ny herintaona. Mirakitra ao amin’ny antontanisan’ny minisiteran’ny fitoviana fa 4 379 ny tranga voarakira teo anelanelan’ny volana janoary hatramin’ny novambra 2021 raha 5 917 izany ny taona 2020.Ezaka nataon’ny CDU (Child Development Unit) no nahazoana io fihenana io, hoy ny ministera. Nanao fanentanana sy fampitandremana hentitra (agressif) ireo vondrona ireo.

Laisser un commentaire