SocialTatitra

Mozambique : Manandrana mamerina ny tanànan’i Palma foana hatramin’izao

Mbola mitohy hatrany ny fanandraman’ireo miaramila mozambikana hamerina ny tanan’i Palma izay lasan’ny vondrona mpampihorohoro djihadistes ny alin’ny 26 ka hatramin’ny 27 martsa lasa teo. Mpampihorohoro maro araka izany no efa matin’ireo miaramila hoy ny fanambaran’ny tafika ao an-toerana, ny alahady 04 aprily lasa teo. Manodidina ny 11 000 araka izany ireo olona voatery nafindra monina raha araka ny nambaran’ny fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fifindra-monina na ny OIM ao an-toerana. Maherin’ny 670 000 ireo noterena hiala ny toera-ponenany noho ny fisian’ny ady tsy mitsahatra ao amin’ny faritra misy azy ireo hoy ny ONU. 2 600 kosa no isan’ireo maty raha ny antontan’isa voaangon’ny ONG Acled talohan’ny fanafihan’ireo vondrona mpampihorohoro djihadistes ny tanànan’i Palma. Olom-pirenena mozambikana avokoa ny atsasak’ireo maty ireo. Tsy manaiky resy kosa ny miaramila ao Mozambique fa mbola mifanandrina amin’ireo djihadistes hatrany hamerenan’izy ireo ny tanànan’i Palma.

Laisser un commentaire