SocialTatitra

Chine : Mila arahi-maso ny fivoaran’ny firenena

Tany amin’i Chine avokoa ny mason’izao tontolo izao hatramin’ny fiparitahan’ny valanaretina coronavirus ny taon-dasa. Taorian’izay, tsy mitsahatra miresaka ity firenena ity ireo haino aman-jery isankarazany, na amin’ny tsara izany na amin’ny ratsy. Manana olana ara-pifandraisana amin’i Canada i Chine amin’izao fotoana izao, indrindra hatramin’ny nisamborana an’i ramatoa Meng Wanzhou, mpitantana sy mpiandraikitra ao amin’ny orinasa Huawei. Canadiens 2, Michael Spavor sy Michael Kovrig ihany koa no nogadraina any Chine ka mahatonga ny tsy fifankahazoana eo amin’ny roa tonta amin’izao fotoana. Fantatra hatramin’ny ela amin’ny famokarana teknolojia raitra sy avo lenta ny firenena aziatika ka tafiditra anatin’izany i Chine raha ny fanadihadiana nataon’i Loïc Tassé, mpanao gazety mpamakafaka amina gazety iray ao Montréal. Mety hisy fiantraikany eo amin’izao tontolo izao mihitsy hoy izy ny fitondran’ny filoha Xi Jinping amin’izao fotoana. Mbola andala-panaovana fanadihadiana ary aharitra 7 andro araka izany ny famelabelarana ho ataon’ity mpanao gazety ity ny fomba fijeriny manoloana an’i Chine sy izao tontolo izao.

Laisser un commentaire