Etats-Unis : Handroaka mpiasa 593 tsy vita vaksiny ny United Airlines
Nangataka tamin’ny mpiasany rehetra hanao vaksiny ny orinasa United Airlines ny fiandohan’ny volana aogositra teo. Mampilaza kosa nefa izy ireo ny talata teo fa tsy maintsy handroaka mpiasa 593 tsy mbola nitondra porofo fa nahavita izany tokoa.3% amin’ireo mpiasa miisa 67 000 izany hoe eo amin’ny 2 000 tamin’ireo no nantagaka fahazon-dàlana manokana tsy hanatanterahina izany noho ny antony ara-pahasalamana sy ara-pinoana. Maherin’ny 99% kosa no efa nahavita izany saingy mpiasa 593 no tsy mbola nitondra fanamarinana hoy ny tompon’andraikitry ny raharaham-bahoaka ao amin’ny orinasa, Brett Hart. Hitandrovana ny rehetra kosa hoy ny lehiben’ny orinasa Scott Kirby ny antony tsy maintsy anaovana ny vaksiny.
