ActualitésTatitra

Chine : Miezaka mamehy ny tanora ny fitondrana

Manomboka any amin’ny mozika, ny lalao amin’ny Internet, horonantsary ny fifehezan’i Chine ireo tanora ao aminy. Feran’izy ireo ny fampidirana ny vokatra avy any ivelany mety hanimba ny soatoaviny sy ny hanova fitondran-tenan’ireo tanora. Efa niezaka nampiena ny fotoana hampiasain’ireo ankizy tsy ampy taona ny Internet izy ireo ary efa niady tamin’ny fijerena efijery herinandro maromaro izao.Ny famerenana ny soatoavina sosialista sy nasionalista vohizin’ny filoha Xi Jinping indray izao ny tanjon’izy ireo. Niniana natao mba hanamafisana ny fifehezana ny ideolojikan’ny mponina izany hoy Cara Willis, manam-pahaizana momba ny haino aman-jery ao amin’ny Oniversite A&M Texas.

Laisser un commentaire