Vesatra ho an’ny firenena ny tsy fananan’ireo tanora manana fahasembanana asa
Nisy ny fampivondronana ireo mpandraharaha avy amin’ny sehatra tsy miankinany mpanabe sy ny mpampiofana ireo tanora manana fahasembanana ary ny Ministeran’ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa teny Analakely ny 19 aogositra lasa teo.
Tanjona ny hampaleo tena arak’asa ireo tanora manana fahasembanana amin’ny alalan’ny tetik’asa Mihary izay iarahan’ny Ministera mpiahy sy ny CFM ary ny CNFPPSH miasa. « Tanjona amin’ny tetik’asa mihary ny hampanan’asa ny tanora manana fahasembanana ary tanora 500 no kendrena hanana asa » hoy ny avy ao amin’ny Ministera. “Nanomboka tamin’ity taona ity ny tetikasa ary hifarana amin’ny 2023 ary ny firesahana amin’ireo mpandraharaha no hahafahan’ireo tanora manana fahasembanana ireo miasa” hoy i Andrianainarivelo Mahandry, Talen’ny CNFPPSH.
« Mbola ho sarotra ny fampanajana ny zon’ny olona manana fahasembanana raha tsy ny fanjakana mihitsy no mihetsika manoloana ny fananganana ny lalàna tsy tokony havakavahana ny manana fahasembanana » hoy Radafiniantsoa Josoa, Mpitarika ny tetik’asa Mihary. « Vesatra eo amin’ny fiaraha-monina izahay raha tsy miasa, ny toe-tsaina hiasa dia mis tokoa saingy ny zava-misy no mametra azy indrindra ny ara-batana sy ny ara-tsosialy » hoy i Basile, manna-kilema.
Isan’ny vesatra amin’ny fampandrosoana tokoa ny tsy fahafahan’ny olona manana fahasembanana miasa raha tokony ny rehatra no hiara-hisalahy amin’ny fampandrosoana ny firenena. Ny tanora tsy manana fahasembanana aza sahirana vao mahita asa maika fa izy ireo ? Mila omena asa ny tanora ary tsy tokony hanavakavahana izany.
Nicole Rafalimananjara
