Basketball : Niatrika lalao iraisam-pirenena maromaro ny « Team Antananarivo »
Mpilalao Basketball Malagasy miisa 4 mivondrona ao amin’ny “Team Antannarivo” no nandray anjara tamin’ny fiadiana ny tompon-daka eran-tanin’ny FIBA 3X3 izay natao tany Vienne.Taorian’izay dia nandray anajara tamin’ny Wuxi Challenger izay natao tany Chine indray izy ireo ny 22 sy 23 Jolay lasa teo . Ankehitriny dia efa mivonona ny “Team Antananarivo” fa handray anjara amin’ny Wixi Challenger izay ho tanterahina ao Taipei ny 28 sy 29 Oktobra ho avy izao.
“Toy ireny ny vokatra azonay tamin’ny fifanitsanana tamin’ i Partizan de Belgrad sy i Sansar MMC Energy de la Mongolie. Amin’ny Oktobra indray no ahitana anay ao anatin’ny Wixi Challenger izay ho tanterahina any Taipei .” Hoy ireto mpilalao Malagasy
“ Nahafa-po tsara ny vokatra nentin’ny “Team Antananarivo” nandritra ny lalao niarahana tamin’i Partizan de Belgrad sy i Sansar MMC Energy de la Mongolie. Araka ny fandaharam-potoana dia ny volana Oktobra ho avy izao izy ireo dia ho any Tapei hiatrika ny Wixi Challenger. Ho anay mpanazatra dia mihezaka mijery ny teknika madinidinika ahafahana miaraka tsara eny an-kianja no tena atao amin’izao ary manara-maso ny tokony hamafisina amin’ny fomba filalao.” Hoy ny mpanazatra
Anisany mpilalao niavaka ny « Team Antananarivo » nandritra iny FIBA 3X3 iny ary nahatsikaritra izany ireo matihanina iraisam-pirenena amin’ity taranja ity. Marik’izany vokatra tsara azony izany ny nahazoan’izy 4 ireto dia i Livio, Elly, Arnol ary Fiary ny Wildcards roa izay handraisan’izy ireo anajara amin’ny Wixi Challenger izay ho tanterahina ao Taipei ny 28 sy 29 Oktobra ho avy izao.
Miranto Andrih
