Tetezan’i Mangoky : Mitetina 64 tapitrisa Dolara ny vola entina hananganana azy
Kasaina hananganana tetezana iray lehibe hanitsy eo amin’ny reniranon’i Mangoky ka vola mitetina 64 tapitrisa Dolara no entina manatanteraka izany. Raha ny fanambarana dia mahatratra 880 metatra ny halavany ary 30 metatra ny halalin’ny fototra izay ahitana lalan’ny mpandeha an-tongotra amin’ny sisiny havia sy havana. Haharitra roa taona kosa ny fanamboarana io fotodrafitr’asa io. “Araka ny fangatahana sy fandinihana ny filan’ny mponina dia ho tanterahaina ilay tetezana lehibe eo Mangoky. Hanamorana ny fivezivezena ny fahavitan’io tetezana io. Maro ihany koa ny mety ho tombony ara-toekarena amin’ny fisian’ny tetezana eo Mangoky satria ho mora ny fifandraisana ara-barotra ary tsy hanano sarotra ny fitondrana ny vokatra.” Hoy ny tompon’andraikitry ny tetikasa.
“ Efa ela no nanirianany hisian’ny tetezana eto amin’ny Mangoky fa raha ny re dia hiroso amin’ny fanatanterahana ny asa amin’izay ny fanjakana sy ny mpamatsy vola. Ny fahitana sy fiheverana dia mety hitondra soa izy ity satria ny lalana no anisany fitaovana enti-mampandroso. Mitombo ihany koa ny fahafahana mifandray sy mivezivezy eo amin’ny mponina ka tsy hita izay olana fa irariana mba ho vita soa aman-tsara.” Hoy ny mponina any an-toerana. Anisany tetikasa lehibe sy goavana ity tetikasa ity ary arahan’ny mponina any an-toerana akaiky ny ho fanatanterahana azy. Hatreto dia mbola tsy manomboka ny asa fa ny teti-bola sy ny faharetan’ny asa no efa nivoaka.
Miranto Andrih
