ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Mihotsaka ireo lalana noho ny andro ratsy

Misy lalana mihotsaka amin’izao fotoana ao amin’ny lalana mihazo ny fokontany Ambohipeno, kaominina Ambohimanambola. Ahiana hiteraka fahatapahan-dalana ao an-toerana izany, raha toa tsy misy ny fandraisana andraikitra, raha ny voalaza.

« Mila mandray fepetra mahakasika ity lalana ity ireo tomponandraikitra. Mety hihitatra ny fahavoazana, ary mety hampidi-doza ny mpampiasa lalana ihany koa raha tsy misy ny fanamboarana izany » hoy i Roger, mpampiasa ny lalana.

« Fotoana maha be ny fahasimbana eo amin’ny foto-drafitr’asa izao, indrindra ny lalana noho ny toetr’andro ratsy amin’izao fotoana. Tokony samy mailo sy mitandrina ny rehetra, fa indrindra hiara-hisalhy, hifanome tanana amin’ny fanamboarana izany » hoy i Léa, mponina ao Ambohimanambola.

Lalina tokoa raha ny fahasimbana eto amin’ity lalana ity no jerena. Mila fitandremana araka izany ny fampiasana ity lalana ity hisorohana ny loza samihafa mety hiseho.

Laisser un commentaire