ActualitésTatitra

Comores : Mitaky ny fanafoanana ny hetsika « Wuambushu » ao Mayotte ny tompon’andraikitra

Nivoaka tamin’ny fahanginana ny governemantan’i Comores. Nitaky tamin’ny fomba ofisialy tamin’i France ny hanafoanana ny hetsika « Wuambushu » ao Mayotte izy ireo. Hetsika izay entina handravana ireo tanàna « bidonvilles » sy handroahana faobe ireo mponin’i Comores mitoetra tsy ara-dalàna ao Mayotte.

Marihana kasaina hotanterahina afaka folo andro io hetsika io. Voarakitra tao amin’ny tatitra an-tsoratra nosoniavin’ny « Beit-Salam » (le palais présidentiel) kosa dia mampidi-doza io karazana hetsika io. Manoloana izany dia nangataka dinika amin’ny tompon’andraikitra i Comores. Tsy miaraka amin’ny Union des Comores nefa raha ny fanamafisan’izy ireo fa miaraka amin’ireo manana mpiray tanindrazana rehetra monina ao Mayotte.

Mbola handrasana kosa ny valitenin’i France.

Laisser un commentaire