ActualitésTsidika

Alasora : Misokatra ny fisoratana anarana amin’ny andian’ny faharoa amin’ny fiofanana ho an’ny tanora

Misokatra amin’izao fotoana izao ny fisoratana anarana amin’ny andiany faharoa mahakasika ny fiofanana sy fampiarana momba ny zaitra, ny taovolo, ny fikarakarana endrika amam-bika, ny fanaovana mofo ao amin’ny fokontany Amboaroy kaominina Alasora. Mpianatra sy tanora maro tokoa no nahita fahalalana sy nahazo tombotso tamin’izany fiofanana izany.

« Natao ho an’ny olon-drehetra ny fiofanana ary tsy hanavahana na iza na iza. Efa maro be ny nahita tombotsoa sy nahazo fahalalana afaka nampivoatra ny fiainany tato. Tsy misy ny saram-pianarana fa ny fandraisana anjara isaky ny mianatra ihany no misy » hoy ny tompon’andraikitra amin’ny fiofanana.

« Ilaina tokoa ny fahaizana asa hafa ankoatra ny fianarana atao any am-pianarana. Rehefa manaraka fiofanana dia afaka mitrandraka ny talenta mamoha ny talenta any anatinao. Avy eo iny afaka ataonao vadin’asa, indrindra raha mbola tanoro mpitovo » hoy i Mirana, mpanao volo.

Sehatra iray mila tohanana sy amporisihina ny tanora ny fampianarana sy ny fanofanana amin’ny fanaovana asa tanana. Amin’izany no ahafahana mamoaka ny maha izy azy ny tena sy mamorona mba hiavahana amin’ny hafa. Raha te hitady fandrosoana tokoa dia ny sehatra ho an’ny tanora no tokony ho velarina be be kokoa.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire