ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nisy ny fitsidihana sy fampahafantarana ny ben’ny tanàna ireo tale vaovao

Ny alarobia lasa teo no nanao nitsidika sy nampahafantatra ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy ireo tale vaovao izay voatendry hiasa ao amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga faharoa (CEG) Lazaina, Andriatahina Miarivola Merhia sy ao amin’ny ambaratonga fototra ao amin’ny EPP Faravohitra, Hantamalala Dinaniaina. Ny Chef ZAP Anosy Avaratra no nitarika ny fitsidihana sy ny fampahafantarana nandritra izany.

« Mirary soa azy ireo hahavita be amin’ny asa nanendrena azy no enganie mba hanamafy ny fitohizan’ny fiaraha-miasa araka izay efa nisy teo aloha » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina Ankadikely.

« Mankasitraka ny tompona’ndraikitra amin’ny fametrahana ny tale vaovao toa izao. Enganie ka mba hamiratra sy hitondra fihatsarana eo amin’ny lafiny fampianarana ny fametrahana azy ireo eo amin’izao toerany izao » hoy i Domoina, ray amandrenin’ny mpianatra.

« Mahafinaritra ny fandraisana teo amin’ny ben’ny tanàna sy ny mpiara-miasa aminy, maniry ny fiaraha-misa hatrany ho an’ny zaza Malagasy » hoy ny tale vaovao.

Miandrandra fiovana sy fanatsara hatrany eo amin’ny lafin’ny fampianarana sy ny fanabeazana araka izany ireo mponina, taorian’ny fametrahana ireo tale vaovao ireo. Ny fahatsaran’ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fanabeazana any an-tsekoly tokoa no anisan’ny taratra amin’ny fampandrosoana amin’ny kaominina iray.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire