Anjeva: Hisy ny hetsika fanomezana kara-tany faobe ao amin’ny kaominina
Hisy ny hetsika fanomezana kara-tany faobe, izay karakarain’ny kaominina Anjeva sy ny sampan-draharahan’ny fananan-tany. Rahampitso zoma faha 21 ny volana no hanaovana ny hetsika, izay hanomboka amin’ny 09 ora maraina, ao amin’ny efitrano malalaky ny kaominina Anjeva gara. Varavarana misokatra no hiseho mandritra izany, ary hanentanana ireo olona manana tany na manajary tany ao anatin’ny kaominina.
“Araka ny filàn’ny mponina sy ny olana hita eny ifotony dia nikarakara ny hetsika fanomezana “titre faobe” ny kaominina, izay iarahana miasa amin’ny sampandraharahan’ny fananan-tany, ka hanentanana ireo izay liana rehetra, indrindra ireo mbola manajary tanim-panjakana na koa tsy manana kara-tany mba ho tonga hanantona eny amin’ny biraon’ny kaominina” hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
“Mbola maro ireo olona, indrindra ny eny amin’ny faritra ambanivohitra no sahirana sy misedra olana amin’ny resaka fananan-tany sy ny fikarakarana taratasy isan-karazany. Ilaina ny hetsika tahaka izao hahafahana manoro sy manome hevitra ny mponina.” hoy I Rajean, mponina ao Anjeva.
Anisan’ny mamaha ny olan’ny mponina eny ifotony ny hetsika tahaka izao. Ilaina araka izany ny fiaraha-mientan’ny rehetra hahafahan’ny tsirairay misitraka ny hetsika, sy maka fahalalana araka ny filàny avy.
Manitra Ramanantsoa
