ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Nahao solosaina indray ny lisea Ambohimanambola

Taorian’ny lisea moderina Ankadikely Ilafy, nahazo solosaina ihany koa ny lisea Ambohimanambola. Solosaina miisa 10 no azon’izy ireo avy amin’ny fikambanana Tohanaina. “Mila omena lanja ny fanabeazana. Tsara raha ampiakarina ny lentan’ny fanabeazana amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojy” hoy ny mpitarika ny fikambanana Tohanaina. “Mankasitraka ny fikambanana nanome lanja ny fanabeazana toy izao. Tena manampy betsaka amin’ny fampianarana tokoa ny solosaina tahaka izao” hoy ny talen-tsekoly ao amin’ny lisea Ambohimanambola. “Manamora fiainana tokoa ny fampiasana ny hairaha. Tena ilaina indrindra amin’ny fanabeazana izany ary tena manampy ny mpianatra” hoy i Renaud, mpianatra mikasika ny informatika. Mahavelom-bolo tokoa ny mahita fikambanana mandray andraikitra manampy ny mpiara-belona tahaka izao. Tsy tokony hiandry ny mpitondra foana tokoa isika vao afaka ny handroso. Hirariana mba hitondra soa ho an’ny sekoly tokoa iret solosaina ireto ary hampiakatra ny lentan’ny fanabeazana. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire