ActualitésTsidika

Alasora : Akon’ny fandalovan’ny andro ratsy

Niteraka fahavoazana tao amin’ny kaominina Alasora ny fandalovan’ny andro ratsy. Betsaka ireo tra-boina tany na-toerana. “Trano iray izao no nirodana teto amin’ny Fokontany Mahitsy ny alin’ny 17 Janoary teo. Nahamoizana ain’olona iray mihitsy aza izany” hoy ny sefom-pokontany ao Mahitsy Alasora. “Trano miisa roa no nirodana tany amin’ny Fokontany Ankadindratombo ny 19 janoray lasa teo. Fianakaviana 3 mianaka sy 6 mianaka no samy tra-boina teto Ambatonjara” hoy ny lehiben’ny fokontany ao Ankadindratombo. “Trano miisa 2 no nirodana teto Ambatomalaza izay nahitana olona 4 mianaka ny 18 janoary lasa teo. Trano iray izay nisy fianakaviana 8 mianaka no tra-boina tao Antanety Miadana ny 19 janoary lasa teo” hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Alasora. Mila ny fanampiantsika mpiray tanindrazana ireny tra-boina ireny. Tena ilaina ny fiaraha-mientana ao anaty loza.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire