Autriche : Salzbourg, tanàna nahaterahan’i Mozart
Tanàna iray ao Autriche, renivohitr’i Land de Salzbourg i Salzbourg. Tanàna fahaefatra be mponina indrindra ao amin’ny firenena izy ary tanàna ntaolo tafiditra ao amin’ny lisitrin’ny vakoka iraisam-pirenen’ny Unesco. Nahatratra hatramin’ny 154 211 ny isan’ny mponina tao amin’ny raha ny antontanisan’ny taona 2019.
Ao amin’ny sisitanin’i Allemagne no ny tanànan’i Salzbourg izay nahaterahan’i Mozart. Manoloana izany dia anisany malaza indrindra erran-tany ny fetiben’ny mozika klasika ao an-toerana atao hoe « Festival de Salzbourg ». Fetiben’ny « opéra » sy ny teatra ary ny mozika klasika izy io izay noforonin’i Max Reinhardt sy Hugo von Hofmannsthal tamin’ny 1920 ary tontasaina isakin’ny fahavaratra ao amin’ny tanànan’i Salzbourg.
