Avaradrano: Hotontosaina ny 22 janoary izao ny lalao manasa-dalana
Miezaka mampiroborobo ny tanora amin’ny alalan’ny fanatanjahan-tena ny kaominina tsirairay eto Avaradrano. Hotontosaina ny 22 janoary ho avy izao ny lalao manasa-dalana iadiana ny ho tompon-dakan’Avaratra amin’ny taranja Baolina kitra. « Kaominina efatra no handray anjara amin’ity lalao manasa-dalana ity. Isaorana ny kaominina rehetra nandray anjara. Ny kaominina Sabotsy Namehana, Ambohimangakely, Alasora, Talata Volonondry no tafiakatra” hoy ny mpikarakara ny lalao ao Avaradrano. “Mahafinaritra mihitsy ny lalao toy izany. Rehefa tsy nandray anjara ihany, tsy aleo manohana ny mpilalao. Ny resy tsy ankoraina ary mandresy tsy hobiana” hoy i Haja, mponina ao Ambohimangakely. “Tena manampy betsaka ny tanora amin’ny fiadiana ny zava-mahadomelina ny fanaovana fanatanjahan-tena. Ilaina tokoa ny fampiroboroboana ny tanora araka ny talentany avy” hoy i Landy, manam-pahaizana mikasika ny saina. Any amin’ny kianja synthetique eny Père Pedro no anaovana ny lalao. Mahafinaritra sy mahavelom-bolo tokoa ny hetsika tahaka izao. Tena ilaina amin’ny asa fampandrosoana ny firenena tokoa ny fanatanjahan-tena hampandrosoana ny tanora.
Nicole Rafalimananjara
