Seychelles : Orinasa telo no manohana ireo solotenan’ny nosy hiatrika ny lalaon’ny nosy
Olona manodidina ny 575 no heverina fa handrafitra ny delegasion’ny nosy Seychelles hiatrika ny lalaon’ny nosy andiany faha-11 hatao eto Madagasikara ny 23 aogositra hatramin’ny 3 septambra izao. Raha ny fantatra dia nahazo fanohanana avy amin’ny orinasa telo eto an-toerana dia ny Seychelles Breweries, H Savy Insurance ary Sacos Group ireo solotena ireo.
Notolorana ny sekretera jeneraly ny fanatanjahantena, Ralph Jean-Louis nandritra ny lanonana natao ny alatsinainy teo tao amin’ny foiben’ny NSC (Conseil national des sports) tao Stad Linite ny fanolorana izany fanomezana izany raha ny fanamafisana. Lelavola 250 000 SCR no natolotry ny Seychelles Breweries tamin’izany, 75 000 SCR kosa avy amin’ny H Savy Insurance ary 125 000 SCR avy amin’ny Sacos.
16 amin’ireo taranja 17 misy kosa dia handraisan’i Seychelles anjara avokoa mandritra ny lalao. Ny taranja tolona ihany no tsy hananan’izy ireo solontena.
