Alasora: Fandaharan-dalao tournoi du Maire ho an’ny faran’ny herinandro
Mitohy hatrany ny fifaninanana baolina kitra, tournoi du Maire 2023 ao amin’ny kaominina Alasora. Eny amin’ny kianja Est-Mazoarivo indray no hanatanterahana ny lalao amin’ny alahady 20 aogositra izao, araka ny voalaza.
“Manomboka amin’ny 09ora maraina, ny ekjipan’ny fokontany Mahitsy sy Amboaroy no hisantatra ny kianja amin’ny alahady. Manaraka azy ao any fokontany Ambodivondava hifandona amin’ny Ankazobe, amin’ny 11ora atoandro ary amin’ny 01ora tolak’andro ny ekipan’Ankadievo hifandona amin’ny fokontany Mahatsinjo” hoy ireo mpikarakaza.
“Mahafinaritra foana ny lalao ara-panatanjahantena, indrindra fa ny lalao baolina kitra ho an’ireo mpankafy sy mpilalao izany. Hisaorana hatrany ny tomponandraikitra tsy nanao izany ho ambanin-javatra fa manome sehatra ny tanora” hoy i Fidy, mpilalao baolina kitra.
Marihina moa fa mbola lalao fifanitsanana hatrany no moa no miseho ato anatin’ity tournoi du maire ity. Anisan’ny mampametra-panontaniana ny mpitia ity fanatanjahan-tena ity ihany koa anefa ny mahakasika ireo lalao baolina kitra izay lalaovin’olona sivy sy ny momba ireo veteran.
Manitra R.
