Maurice : Hisy ny fanampian’ny SFD amin’ny fanatrarana ny tanjony amin’ny fampandrosoana maharitra
Nihaona tao Port Louis ny tale jeneran’ny SFD (Saudi Fund for Development), Sultan Abdulrahman Al-Marshad sy ny praiminisitra, Pravind Jugnauth ny herinandro lasa teo. Isan’ny nanotrona izany ihany koa ny ambasadoran’ny repoblikan’i Maurice ao Arabie saoudite, Showkutally Soodhun.
Isan’ny teboka lehibe nodinihin’ireo tompon’andraikitra ireo nandritra izany fihaonana izany ny tetik’sa ho avy ho amin’ny fampandrosoana an’i Maurice sy ny fomba hanatsarana sy hanatrarana ny tanjona fampandrosoana maharitra (ODD). Nanamafy ny talen’ny SFD fa ny asa fampandrosoana niarahan’ireo firenena roa tonta ireo dia efa nanomboka tany amin’ny 40 taona mahery lasa tany ary vola mitentina 200 tapitrisa dollars mahery no novatsian’ny SDF tamin’ny fanarenana foto-drafitr’asa maro tao anatin’izany.
Nanamafy i Sultan Abdulrahman Al-Marshad fa mbola maniry ny hifanampy amin’ny nosy amin’ny fanatrarana ny tanjony amin’ny fampandrosoana maharitra izy ireo.
