ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Tena ilain’ny mponina any an-toerana ny fanamboarana ny lakan-drano ao Andranomanga

Natomboka ny asa fanamboarana lakan-drano izay tena nampitaraina ny olona tao amin’ny Fokontany Andranomanga, kaominina Ambohimanambola. Noho ny tsy fisian’ny lakan-drano dia sarotra ny mamatsy rano ireo tanimboly sy ny tanimbary. Nandeha teny ifotony mihitsy ny ben’ny tanna any an-toerana sy ireo teknisianina ka ny orinasa Matrabat no manatontosa ny asa ankehitriny. »Tena maina ny tany. Ny orana rahateo efa tsy dia misy loatra, hany ka manahirana ny rano manoloana ny fambolena an-tanety sy an-tanimbary » hoy i Haja, mpamboly monina ao Andranomanga Ambohimanambola. « Miainga amin’ny vahoaka ny fampandrosoana, ary miainga amin’ny famaliana ny filàn’izy ireo. Tsy azo atao hoe firenena mandroso mihitsy ny firenena iray raha toa ka mbola mijaly ny vahoaka » hoy i Gerard, mpanidika manokana mikasika ny fampandrosoana lovainjafy. « Tsy andrasana ela raha hita fa tena ilain’ny vahoaka toy izao. Reharehan’ny kaominina ihany rahateo izany ka isaorana indrindra ny orinasa Matrabat izay miara-miasa akaiky amin’ny kaominina amin’ity asa ity » hoy ny tompon’andraikitra ao Ambohimanambola.Efa mizotra tsara ny asa fanamboarana sy fanitarana ankehitriny, ary hita taratra tokoa fa tena ilain’ireo mponina eny ifotony izao fotodrafitr’asa izao, indrindra ireo mponina tantsaha. Antenaina fa hanaja hatrany izao fotodrafitr’asa iraisana izao ny mponina any an-toerana mba ho antoky ny vokatra sy ny fambolena any aoriana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire