Hanandratra ny asa soratr’i Ester Randriamamonjy ny Akademia Malagasy
Ny Alakamisy 29 jolay izao no hanandratana ny asa soratr’i Ester Rasoloarimalala Randriamamonjy noho ny fahavitany asa soratra be indrindra tao anatin’ny 60 taona. Hetsika tontosaina ao amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza manomboka amin’ny 10 ora maraina. Mpikaroka sy mpamakafaka maro ihany koa no hamelaberatra ny fikarohany mahakasika ny asa soratr’i ERR, Ranjatohery Harilala, Rakotomavo Tsikimilamina, Dimby Vaovolo, Razanabololona Fabienne Arison, Razafiarivony Michel, Rodin Serge Henri, Hanitriniaina Lalaonirina Frédine, Rajaona Rasoatahinarivony Mbolaherisoa.
« Zana-kevitra efatra no hovelabelarina mandritra izany, ny asa soratr’i ERR sy ny fikarohana, ny karazan’asa soratra, ny ventin’asa soratra sy ny hevi-teniny ary ny hafatra, ny fandikan-teny ary ny fiitatry ny asany any ivelany » hoy ny tompon’andraikitry ny hetsika. « Mety ilan’ny ankizy sy ny tanora mihitsy ny hetsika tahak’izao » hoy ny renim-pianakaviana iray mpankafy ny asa soratr’i ERR, « Tsy nataotao foana ny fampidirana izany any amin’ny fandaharam-pianarana » hoy izy.
Boky mirakitra angano, sombin-tantara, tantara foronina ary tononkalo no efa nosoratan’i ERR. Anisany mpanoratra mandika ny asa soratra vahiny amin’ny teny Malagasy ihany koa ny tenany, anisan’izany ny « Les Misérables » na « Ireo Fadiranovana » an’i Victor Hugo, « L’Etranger » na « Vahiny » an’I Albert Camus. Mampiavaka azy amin’ny mpanoratra sasany ihany koa izany.
Hasina Rasamimanana
