Raikitra indray ny adin’i Naina Andriantsitohaina sy i Clemence Raharinirina
Eny amin’ny Fitsarana Anosy indray no mifampitady ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina sy Clemence Raharinirina, mpanolotsaina ao amin’ny tanàna ny talata 10 aogositra.Raha iverenana ny tantara nisy teo aloha, efa in-dimy izay no niakatra fampanoavana ity mpanolotsaina avy ao amin’ny IRK ity nandritra ny iraika ambin’ny folo volana. Mifampitory foana moa izy roa ireo. Efa nitory ny ben’ny tanàna ihany koa mantsy i Clemence Raharinirina ny volana febroary 2021 lasa teo nohon’ny fandrodranany an’herisetra ny tsena teo Analakely kanefa efa nolavin’ny Filankevitra Monisipaly, tao koa ny tsy fanomezana fe-potoana ireo olona voakasiky ny fandrodanana, fanararaotam-pahefana mihitsy no ataon’ny ben’ny tanàna hoy ity farany. Ankehitriny, mitsimbadika indray ny tantara fa anjaran’ny ben’ny tanàna indray no mitory izao. Ny filazana fa izy notompon’antoka tamni’ilay fikorontanan’ny mpivarotra teo Behoririka tamin’ny 22 jolay lasa teo no antony itoriana azy.Nanatitra ireo taxi voahilika teo Behoririka no nalehany teny anefa raha arakin’ny filazany ary nanamafy izany ihany moa ireo mpamily mivondronana ao amin’ny FTAR izay fikambanan’ny mpamily taxi eto an-drenivohitra fa tena izany mihitsy no anton-diany tany.Mampitondra teny fisaorana ho an’ny ben’ny tanàna moa ity farany ny amin’izao faminganana tsy miato atao aminy izao foana.Miara-dalana tanteraka amin’i Clemence ny vondrona TIM amin’izao raharaha izao eny fa na tsy mitovy aza ny firehana politika misy azy ireo ary nanolotra an’i Me Willy Razafinjatovo fantatry ny maro amin’ny hoe Me Willy Razafinjatovo mba hisolo vava azy eny amin’ny Fitsarana ity antoko mpanohitra ity. Ny ao amin’ny TIM moa izay tena miaro azy fatratra foana ao anatin’ny fandaharana adihevitra politika ao amin’ny haino aman-jerin’izy ireo.Tsara ny manamarika fa nivoaka mpandresy foana i Clémence Raharinirina nandritra izay fitsarana in-dimy nisesy izay.Miandry ny tohin’ny raharaha isika, mbola hivoaka ny fitsarana am-pandresena indray ve I Clemence Raharinirina sa ahazo rariny indray ny mpitory amin’ity indray mitoraka ity. Tokony mijery izay hevitra hifampiraharahana ny ao amin’ny CUA mba tsy isian’ny trangan-javatra tahaka izao hatrany. Mila averina jerena ny sata mifehy ny fitantanana anatiny mba isian’ny filaminana eo amin’ny fiaraha-miasa ? Efa mifampiandry kendri-tohina ve izy roa tonta ireo ka vao misy tsy mety kely dia mifampitory ?
Tsangy Randriamampianina
