ActualitésTsidika

Fiovaovan’ny toetrandro : Hitohy hatrany fiakaran’ny hafanana

Namoaka tatitra ny « Groupe d’experts intergouvernemental sur l’évolution du climat » (GIEC) momba ny fiovaovan’ny toetrandro ny Alatsinainy 09 Aogositra 2021.Notsindrian’tamin’izany tatitra izany fa tsy hitsahatra hiakatra ny hafanan’ny tany hatramin’ny taona 2050 any.Efa hita maneran-tany izany fiakaran’ny mari-pana izany, raha tsy hilaza ny hafanana mihoam-panpana(canicule) tany Canada izay efa tafahoatra ny 49.6°sy ilay fiakaran’ny hafanana izay nahatratra hatramin’ny 46° tany Grèce nandritra ilay doro-tanety niseho ny herinandro lasa iny. Mahakasika an’i Madagasikara manokana, ny mari-pana antonony dia mety hiakatra hatramin’ny 1.5° mialohan’ny taona 2030 ary mbola hioatra ny 4° izany hatramin’ny taona 2100 raha eritreretina ny zava-dratsy mety hitranga. Ny etraketraky ny olombelona amin’ny zava-boahary no isany tena mahatonga izany fiovaovan’ny toetrandro izany, ao ihany koa ny fampiasan’ireo orinasa akora simika mamoaka entona manimba ny « couche d’ozone ».« Tokony hijery paikady entina miatrika izany mety fiakatran’ny hafanana izany isika, ny taranantsika ihany no iharan’izany fahasimban’ny tontolo iainana izany!»hoy Alain, mpandinika fiaraha-monina.Mety hisy fiovaoana izany mari-pana faratampony sy farany ambany izany, ary hiteraka fahamainan’ny tany(sècheresse) matetika sy mafy izany, indrindra hoan’ny tapany Atsimon’i Madagasikara.Fanampin’izany, ny loza mitatao amin’ireo morontsiraka toy ny fiakaran’ny ranomasina ary ny risika mety hampitombo ny safo-drano sy ny fahasimban’ny morontsiraka.Araka ny tatitra navoakan’ny OMS,«mitarika fahafatesan’olona hatramin’ny 150 000 isan-taona ny fiovaovan’ny toetrandro ary mety hitombo avo roa heny izany isa izany amin’ny taona 2030 »hoy hatrany ny fanazavana. Aiza ho aiza ny fandraisan’andraikitry ny Ministeran’ny tontolo iainana amin’ny fanakana izany loza izany ? Hanao ahoana ny ho fiainan’ireo taranaka fara-mandimby manoloana izany ?

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire