Nangataka fisotroan-dronono ny Arsevekan’Antananarivo Odon Razanakolona, ka miandry ny fanapaha-kevitry ny Papa François sisa
75 taona tamin’ny volana may 2021 lasa teo ny tenany. Raha ny lalàna mipetraka ao amin’ny rafitra katolika mantsy, rehefa feno 75 taona ny Eveka dia mametra-pialana ary mandeha amin’ny fisotroan-dronono fa ny Papa irery ihany no afaka mijanona mandrapahafatiny raha tsy hoe mametra-pialana nohon’ny antony maro samihafa.Efa nahavita lalan-davitra ity Arseveka ity raha todihana ny tantarany. Nohamasinina ho pretra ny taona 1975 izy ary nomena ny anjara andraikitra ho Eveka ny taona 1999,notendrena hiasa tao amin’ny Diosezin’ny Ambanja izy avy eo. Voatendry ho Arsevekan’Antananarivo kosa izy ny taona 2005 tao aorian’ny fialan’ny Kardinaly Armand Gaetan Razafindratandra, ary nandray ny asany nanomboka ny 12 febroary 2006. Efa nanomana ny eveka rehetra izay mety handimby azy izy nandritran’ny fe-potoana naha tompon’andraikitra azy. Miandry ny valin-tenin’ny Papa izy ary mbola manohy ny asany hatrany raha tsy mivaly ny fangatahany izay mbola andrasana raha ho Eny.Amin’izao raharaha politika mafana dia mafana eto amin’ny firenena izay nahenoana ny anaran’nyArseveka ho anisan’ny atidoha nikotrika ny « Appollo 21 » izao anefa dia mametra-panontaniana ihany ny mpanara-baovao. « Fifandrifian-javatra ve ny hoe alefa misotro ronono sy ny hoe atsahatra amin’ny asany fa sao tafiditra lalina amin’ny raharaha maloto » hoy i Bary, mpianatra « sociologie » ao amin’ny anjerimanontolo. « Efa nahavita be kosa izy teto amin’ny tany sy ny firenena e, ary mendrika ny hisotro ronono amin’izay » hoy kosa i Mino izay mpino katolika. »Rehefa tonga eo amin’ny faha 75 taona mametra-pialana ny Eveka rehetra, izay no didy mifehy ny rafitra katolika » hoy ny Tompon’andraikitra iray teo anivon’ny Paroasy iray raha nanontaniana.Eo am-piandrasana ny fanapaha-kevitry ny Papa izy, ary tsy manam-pahefana intsony ao amin’ny Diosezy raha manaiky ny Papa fa ny famantarana ny maha Eveka azy sisa no mijanona aminy. Samy hafa tanteraka ny resaka finoana sy resaka politika, fa kosa rehefa nilatsaka an-tsehatra be tao anatin’izany ny tenany, manitikitika ny saina ihany amin’ny maha-olompirenena hoe: tena izay tokoa ve no antony, fa maninona no amin’izao vanim-potoana mamay izao vao hoe hametra-pialana ?
Tsangy Randriamampianina
