ActualitésTsidika

Alasora: Mitaraina noho ny tsy fisian’ny rano ny mponina

Efa ho herinandro mahery teo izao no nitaraina ireo mponina ao amin’ny kaominina Alasora, manoloana ny tsy fisian’ny rano ao an-toerana. Fokontany maromaro no vokasiky ny fahatapahan-drano izay ka manao antso avo amin’ny tomponandraikitra ireo mponina manoloana izany.

“Manao antso avo amin’ny jirama mba hitondra vahaolana  maharitra mahakasika ity tsy fisian’ny rano ity. Olana efa nitoetra ela teto izy kanefa tsy nisy ny fandraisana andraikitra hatramin’izao. mijaly ny vahoaka satria ny zo fototra mihitsy no tsy voahaja intsony eto” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Vahaolana maharitra no ilain’ny mponina hapetraky ny jirama  fa efa tena tsy zaka intsony ny tsy fisian’ny rano izao. Efa nisy ihany ny fangatahana sy ny fitarainana nalefa saingy tsy mbola nisy ny valiny mahafa-po manoloana izany” hoy i Felana, mponina ao Alasora.

Ny fokontany Miadana, Alasora ary Filahoana moa no tena voakasik’izany tranga izany. Zo fototra tokony ho sitrahan’ny rehetra ny fahazoana rano fisotro madio, ka tsy tokony hatao ambanin-javatra izany. Tsy tokony hiandry fitarainana ihany koa vao handray fepetra ny tomponandraikitra.

Manitra R.

Laisser un commentaire