ActualitésTsidika

Toamasina: Mpamatsy sy mpanjifa zava-mahadomelina rôrô saron’ny mpitandro filaminana

Vehivavy roa sy lehilahy dimy mpamatsy sy mpanjifa zava-mahadomelina, ilay antsoina hoe rôrô no saron’ny mpitandro filaminana tany Toamasina. Naharay angom-baovao tamin’ny olona tsara sitrapo ny lehiben’ny tobim-paritry ny Zandarimaria ao Toamasina-ville ny marainan’ny zoma teo. Natao ny velam-pandrika sy ny fitsirihana anatiny; tratra tao aorian’izay ireto farany. Mbola hita teny amin’izy ireo ny fitaovana fampiasany rehefa manao izany. Toy ny seraingy miisa 06, fandanjana rôrô iray, tavoahangy kely roa fandrahoana rôrô, fanafody antsoina hoe: “diazepam” ohanina rehefa tsy mahazo rôrô sao marary ary rôrô milanja roa grama.

“Nahazo angom-baovao tamin’olona tsy nitonona anarana izay nahatsikaritra andian’olona midoroka sy mivarotra zava-mahadomelona antsoina hoe rôrô ny tompon’andraikitra. Natao ny famotorana sy ny fikarohana rehetra. Tratra tao aorinan’izay ireto olon-dratsy izay efa nanaovana famotorana.” Hoy ny mpitandro filaminana.

“Marary manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly be Toamasina ny iray amin’ireo vehivavy noho ny tsy fahafahany mahita io zava-mahadomelina io. Lehilahy iray amin’izy ireo antsoina hoe Jikassy, monina ao Ambalamanasy Toamasina II; efa Fanta-daza sy mpamerin-keloka ao Toamasina amin’ny resaka rôrô ity.” Hoy hatrany ny fanazavana.

Mitohy ny fanadihadiana lalina ataon’ireo mpitandro filaminana manoloana ity raharaha ity; manao ny fomba rehetra araka izany izy ireo mba hamongorana ity fahavalom-piaraha-monina ity.

Laisser un commentaire