Maurice : Misokatra ny fifanarahana amin’i Grande Bretagne manoloana ny Nosy Chagos
Voalohany no nanaiky ny hifampiraharaha amin’i Maurice momba ny fiandrianam-pirenena’ny vondronosy Chagos i Grande-Bretagne. Nohazonina ho tsiambaratelo ny fifandraisana teo amin’ny roa tonta nandritra ny 1 volana teo. Fantatra notontosaina tao amin’ny ivotoeran’ny firenena miakambana tao New-York ny fifampiraharahana, niarahana tamin’ny praiminisitra britanika teo aloha Liz Truss.
Nanambara kosa ny praiminisitr’i Maurice, Anerod Jugnauth ho atomboka miaraka amin’ny governemanta vaovao ao Londres indray ny fifanarahana. Efa nohamafisin’ny Foreign Office ihany koa io fisokafan’ny fifanarahana io.
