ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nohamafisina ny fandrindran’ asa sy ny fanatsarana ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ny mpitandro filaminana

Nandritra ny fananganan-tsaina omaly alatsinainy, tao amin’ny kaominina Ankadikely ilafy, no nanaovan’ny ben’ny tatitra, ary nandraisana toromarika ary fandaminana ao anatin’ny fiadidiana ny kaominina, tahaka ny mahazatra. Omaly, nohamafisina manokana ny lafin’ny fandrindrana sy ny fanatsarana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ny mpitandro ny filaminana ary ireo solo-tenam-panjakana ao an-toerana.

« Ny fiaraha-mientana eo amin’ireo rantsa-mangaika miainga eny ifotony sy ireo mpitandron’ny filaminana no anisan’ny fototra ipetrahan’ny fandriampahalemana, koa izany indrindra no antony nanasiana tsindrim-peo ho fanentanana ny rehetra » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

« Manao ezaka hatrany ny ben’ny tanàna ao anatin’izany ny amin’ny fanentanana ny rehetra satria ilaina ny fifanomazan-tanana ho tombotsoan’ny be sy ny maro, indrindra fa ny eo lafin’ny fampandrosoana ny kaominina » hoy hatrany ny ben’ny tanàna.

Ny fiaraha-mientan’ny rehetra no ahafahana mampandroso ny faritra iray. Izany dia miainga amin’ny fampandraisana anjara na andraikitra ireo rafitra rehetra miainga avy eny ifotony.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire