ActualitésTatitra

Comores : Hankalaza andro maneran-tany telo ny nosy

Hankalazaina miaraka amin’ny andro iraisam-pirenena hanafoanana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy (25 novambra) ny andro maneran-tany ho an’ny ankizy (20 novambra) ao Comores. Hanomboka ny 25 novambra izao ny fankalazana, haharatra 16 andro izany ka tsy hifarana raha tsy ny 10 desambra 2022 izay andro maneran-tany ho an’ny zon’olombelona ihany koa.

Ao amin’ny nosy Mwali no ivon’ny fankalazana amin’ity taona 2022 ity. Hanatrika ny fanokafana izany ny filoham-pirenena sy ny mpikambana ao amin’ny governemantany, ny manam-pahefana ary ny solontenan’ireo nosy mivondrona ao amin’ny Union des Comores hoy ny talem-paritry ny fampiroboroboana ny miralenta, Hadidja Assanaly. « Atsaharo izao ny herisetra atao amin’ny vehivavy » kosa no lohahevitra tena banjinina amin’io fankalazana io.

Laisser un commentaire