Sakafo: Vahaolana mahomby ny famokarana ny « Gari » any Anosy sy Androy
Vovoka mangahazo ny gari, izay ny vehivavy mikambana anaty koperativa maro isan-karazany ihany no manamboatra azy. Efa maro ny olona mahazo tombony amin’izany any amin’ny tapany atsimo any, mahazo tombony kokoa anefa ireo mpianatra ao anatin’izany amin’ny alalan’ny fampisakafoanana any an-tsekoly.
« Nandritra ny fizarana ity « gari » ity dia nihena ny tahan’ny fandaozana sekoly ary hita fa tena mavitribitrika tokoa ireo mpianatra ireo. Tamin’ny taloha teo tsy afaka nanolotra sakafo ho an’ny mpianatra noho ny tsy fisian’ny rano hahafahana mamboly. Mialan an-daharana ireo mpianatrta satria noana ka tsy misy mifantoka amin’ny asa akory », hoy ny Tompon’andraikitra avy amin’ny EPP iray ao Ambovombe.
« Ankoatra ny fampianarana izay nahazo tombony dia eo ihany koa ireo toknatrano sasany ziay nisafidy ny hisehatra amin’ny « gari » ka nanao izany ho fidiram-bola. Ankoatra ny lehilahy izay miasa ka mamelom-bady aman-janaka dia eo ihany koa ireo vehivavy manampy azy ireo amin’izany ka amin’ny alalan’ny famokarana ny gari no hahafahan’izy ireo mahavita tena ara-tsakafo », hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Kopêratiova Zenome Mahavelona.
Tsy hoe efa misy ny « gari » dia hijanona eo ny fanampiana sy fikarohana ny vahaolana ho an’ireo mponina any amin’ny faritra atsimo ireo fa tokony hatao mandavan-taona izany mba hahafahan’ny rehetra miaina am-pilaminana. Eo ihany koa anefa ny fanampiana ny olona hamboly betsaka ilay vokatra ilin amin’ny famokrana ity « gari » ity.
Miora Raharisolo
