SocialTsidika

Iharamy : Hisy ny lamina mikasika ny fako

Ho atao androany amin’ny 04 ora ny fivoriana ao amin’ny fokontany Iharamy. Hisy ny lamina apetraky ny kaominina amin’ny fitantanana ny fako.

« Hisy ny fivoriana iarahana amin’iro tompon’andraikitra avy ao amin’ny kaominina sy ny sampana misahana ny rano, fanadiovana, fidiovana ary ny polisy misahana ny fako. Afaka tonga avokoa isika mponina manana tany fametrahana fako sy ny mponina mila fako » hoy ny avy ao amin’ny fokontany Iharamy. « Tanjona ny fametrahana lamina mahafa-po ho an’ny mponina misitraka sy mahazo vokatsoa avy amin’ny fako. Miantso antsika rehetra ho tonga amin’izany » hoy ny avy ao amin’ny sampana misahana ny rano, ny fanadiovana, ny fidiovana.

Betsaka tokoa ny azo hanodinana ny fako. Tafiditra ao anatin’ny sehatry ny fandraharahana izany, izay fanodinana ny fako ho azo ampiasaina sy hampidiram-bola.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire