France : Pierre Perret, mpamorona vantambantam-piteny
Mpihira, mpamoro ary mpandika hira i Pierre Perret. Teraka ny 9 jolay 1934 tao Castelsarrasin, Tarn-et-Garonne ny tenany. Mpihira tena mahay milalao teny i Pierre Perret ary mivantambantana. Mampiasa tenin-jaza izy miaraka amin’ny fahatsoram-po ary ao anatin’ny maha-olombelona tanteraka.
Mampiatra izany ao anatin’ny asa sorany i Pierre Perret, hita taratra ao amin’ny fanavaozany ny « les fables de La Fontaine » izany. Mifangarongaro kosa ny sokajin-kirany eo amin’ny tontolon’ny mozika, misy ireo mampihomehy, ireo maivamaivana, ireo mitondra hafaliana sy halemem-panahy ary indrindra zazazaza.
Anisan’izany ny hirany miondra ny lohateny hoe « Le zizi » izay sady zaza no mahatsikaiky nefa mifono fampianarana goavana izay miantefa amin’ny ankizy fa amin’ny lehibe ihany koa.
