ActualitésTsidika

Handeha mivantana amin’ny Televisiona Malagasy ny EURO 2020

Tokony notontosaina ny tamin’ny 12 Jona hatramin’ny 12 Jolay 2020 lasa teo ny fifaninana ho tompondakan’i Europe eo amin’ny taranja baolina kitra kanefa noho ny valan’aretina COVID-19 dia nahemotra herintaona aty aoriana izany raha ny tapakin’ny UEFA. Noho izany dia atambatra amin’ny taona iray ny EURO indroa miantaona ary nosafidian’ny UEFA ho EURO 2020 ihany ny anarany. Tsy ho diso anjara amin’ny fijerena izany ny mpankafy ny fiadiana ny EURO 2020 eto Madagasikara satria nilaza ny Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo Rakotondrazafy fa halefa mivantana amin’ny Televiziona Malagasy ny EURO 2020. Ny 11 Jona hatramin’ny 11 Jolay izao no hanatanterahana izany izay ho atao manerana ny tanana miisa 11 ka handraisan’ny firenena 11 ihany koa. Ny lalao amin’ny 1/8, ny 1/4, ny 1/2, ary ny lalao famaranana no novidian’ny Televiziona Malagasy halefa mivantana miampy ny fifanintsanana isam-bondrona sasatsasany sy ny lalao fanokafana. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire