ActualitésTsidika

Ireo fankalazana mandritra ny volana Jona

Midika fety maro ho an’ny Malagasy ny volana Jona iray manontolo. Ao anatin’izany ny iray volan’ny teny Malagasy izay tenin-dreny sy ny iray volan’ny ankizy ary ao anatin’izany volana izany ihany koa ny tsingerintaona nahazahoana ny fahaleovantena. Iray volan’ny teny Malagasy, volana natao hanomezan-danja ny tenin-dreny, teny Malagasy izay hita fa manomboka very hasina ankehitriny noho ny fitsoka mafin’ny rivotry ny teny vahiny izay mahaliana ny tanora tokoa ankehitriny. Mariky ny fandrosoan’ny firenena anefa ny fanomezan-kasina ny teniny ary manamarika sy mampiavaka ny firenena iray mihitsy ka tsy tokony ho atao ambanin-javatra. Etsy an-kilany, volan’ny ankizy ihany koa izany indrindra hahatsiarovana ireo ankizy tsy misy mpiahy sy tsy manan-kialofana. Betsaka ny fikambanana hanampy ny ankizy sy manao hetsika hanampiana ny zaza amin’ity volana ity toy ny association Ank’izy, ny Beez’Art izay hikarakara hetsika fanolorana sakafo sy kilalao ary ny fitafiana ho an’ireo ankizy sahirana tokony hizarana fifaliana amin’izao volana izao. Tsy hadino ihany koa ny fetin’ny fahaleovan-tena izay tontosaina ny 26 Jona izao, daty manan-tantara ho an’i Madagasikara satria afaka teo am-bavahoan’ny Frantsay isika. Ny mampalahelo anefa, marary ny teny Malagasy satria na ny fanoratra sy ny voambolana malagasy aza mbola be ny manadino azy. Marary ny ankizy malagasy satria misy ireo lavitry ny fifaliana indrindra nahazo vahana tato ho ato ny fanolanana zaza tsy ampy taona, ka firifiry ny ankizy simba ny hoaviny noho izany. Marary ny fahaleovan-tena satria nanjary toa anarany fotsiny ihany izany ankehitriny, ireo vahiny no tena manjaka sy tena mampiasa vola eto izay mampiasa ny Malagasy ao anatin’ny fireneny. Mahaleo teo kanefa ny vahiny no mpampiasa, mpibaiko ny Malagasy ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire