Ambohidrabiby : Nisy ny fanolorana fanampiana ho an’ireo mponina any amin’ny faritra Atsinanana
Nanolotra fanampiana ho an’ireo mpiray tanindrazana traboina vokatry ny rivodoza Emnati sy Batsirai ao amin’ny faritra Vatovavy, Fitovinagny ary Atsimo Atsinanana ny Fikambanana Taranaka Ambohidrabiby, ny alarobia lasa teo.
« Nandritra ny 01 Aprily 2022 nankalazàna ny taombaovao Malagasy, dia tsy nanadino ny malagasy mpiray tanindrazana traboina noho ny rivodoza Emnati sy Batsirai ny Fikambanana Taranaka Ambohidrabiby koa nanao fitia tsy mba hetra niarahana tamin’ny Malagasy sy ny antenimieran’ny andriana merina ka nanolotra vola fanampiana ho an’ireo traboina ao amin’ny faritra Vatovavy sy Faritra Fitovinagny ary Faritra Atsimo Atsinanana » hoy ny avy ao amin’ny fikambanana.
« Voni-kava mahatratra tokoa, ka ilaina ny fifanomezan-tanana manoloana ny fahasahiranana, indrindra ho an’ireo any an-tany lavitra iray firenena amin’ny tena. Mbola maro ireo any amin’ny faritra hafa mila tolo-tanana ihany koa » hoy i Faneva, mpirotsaka an-tsitra-po.
Tsiahivina fa vola mitentina roanjato sy dimy arivo sy telo alina sy dimy hetsy ariary (Ar 535 200) no azo nandritra io fotoana io ary natolotra manontolo ny fanjakana malagasy tamin’ny alalan’ny Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes (BNGRC) etsy Antanimora. Tsy misy manana ny ampy tokoa fa sambatra izay mifanampy, ary tanan-kavia sy havanana ka izay didiana marary.
Manitra Ramanantsoa
