Fahasalamana : Efa tonga ao Mananjary ireo « Cliniques mobiles »
Efa tonga ao Mananjary ireo « Cliniques mobiles » avy amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Hanatanteraka ny fizaham-pahasalamana sy ny fitsaboana maimaimpoana ireo mpiray tanindrazana tra-boina noho ny rivo-doza Batsirai. « Efa omaly Talata 15 febroary no niainga teto Antananarivo ny karavanina hanampy ireo mpiray tanindrazana voa mafy tamin’ny fandalovan’ny rivo-doza. Betsaka no niara-niasa tamin’ny Ministera hanampiana ny ara-pahasalamana toy ny Fikambanana Fitia, ny OMS, ny Fisa Madagascar ary ny maro hafa » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. « Tsy afaka ny hanarina ireo simba noho ny fandalovan’ny rivo-doza ny mponina raha tsy salama. Hery lehibe ny fanana fahasalamana ho azy ireo. Tsy vitsy ihany koa ireo narary sy nitondra takaitra taorian’ireny andro ratsy ireny » hoy i Idealy, mpianatra ho mpitsabo ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Ny faritra Vatovavy sy Fitovinany ary Atsimo Atsinanana aloha no hisitraka ity tetik’asa ara-pahasalamana ity.
